Ny ady amin’ny kolikoly dia napetrak’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika ho laharam pahamehana amin’ny alàlan’ny fanambarany sy ny fandaharan’asa voarakitra ao anatin’ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana. Manolotra ny Paikadim-pirenena Iadiana amin’ny Kolikoly vaovao i Madagasikara, izay mamaritra tanjona stratejika sy ny paikady ho entina miady amin’ny kolikoly mandritry ny dimy taona ho avy.